<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Gustava Kielland</author>
<lyrics>[V1]
 Izahay zazakely manatona
 Anao,
 Ry Jeso izay teraka androany
 Fa tonga hanavotra anay
 Hianao,
 Ka faly izahay izany ;
 Mitehafa tànana
 Dera no asandratra,
 Mihobia, mifalia,
 Fa Kristy Tompo teraka
 Ho antsika !

[V2]
 Izahay zazakely maniry izao
 Ho tena sakaiza tokoa,
 Ka avy izahay mba hanaraka
 Anao
 Ry Jeso Mpanjaka Tsitoha ;
 Mitehafa ..sns.

[V3]
 Izahay zazakely mangataka
 Anao
 Hamory ny zaza rehetra,
 Fa be ny ankizy miandry Anao
 Ho Tompon'ny tany rehetra.
 Mitehafa ..sns.</lyrics>
<title>Izahay zazakely manatona Anao FFPM798</title>
<hymn_number>798</hymn_number>
</song>